1 Fihirana fiakarana. Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay. ¶ 2Tahaka ny tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema No anodidinan'i Jehovah ny olony Hatramin'izao ka ho mandrakizay 3Fa tsy hitoetra eo amin'ny anjaran'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy. ¶ 4Jehovah ô, manaova soa amin'ny tsara Sy ny mahitsy fo. 5Fa izay mivily ho amin'ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin'i Jehovah miaraka amin'ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely. ¶