1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah. 2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, ¶ 3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; 4Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah. 5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida. ¶ 6Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; 7Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao 8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao. 9Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho. ¶