1 Fihirana fiakarana. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? 2Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. ¶ 3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. 4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. ¶ 5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. 6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. 7Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay. ¶