1 Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. 2Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra; 3Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany. 4Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara. 5Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao! 6Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra. 7Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina. 8Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao. ¶ 10Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho. 11Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. 12Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao. 13Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. 14Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. 15Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao. 16Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao. ¶ 18Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin'ny lalànao. 19Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. 20Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. 21Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin'ny didinao. 22Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. 23Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. 24Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany. ¶ 26Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao. 27Ampahalalao ahy ny lalan'ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao. 28Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao. 29Ny lalan'ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy. 30Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. 31Mifikitra amin'ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho; 32Ny lalan'ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko. ¶ 34Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho. 35Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako. 36Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana. 37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin'ny lalanao aho. 38Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra. 39Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. 40Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao. ¶ 42Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. 43Ary aza dia esorina amin'ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. 44Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. 45Ary handeha amin'ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. 46Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. 47Ary hiravoravo amin'ny didinao aho Satria tiako ireny. 48Hasandratro ny tanako ho amin'ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao. ¶ 50Izao no mampionona ahy amin'ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy. 51Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin'ny lalànao aho. 52Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin'ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. 53Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin'ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. 54Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin'ny trano fivahiniako. 55Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao. 56Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho. ¶ 58Mifona aminao amin'ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao. 59Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin'ny teni-vavolombelonao. 60Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin'ny fitandremana ny didinao. 61Nihodidina tamiko ny famato-ran'ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho. 62Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina. 63Naman'izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman'izay mitandrina ny didinao. 64Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao. ¶ 66Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho. 67Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. 68Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao. 69Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin'ny foko rehetra no itandremako ny didinao. 70Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako. 71Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao. 72Ny lalàn'ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. ¶ 74Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako. 75Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. 76Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin'ny mpanomponao. 77Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako. 78Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao. 79Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao. 80Aoka ho marina tsara ny foko amin'ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho. ¶ 82Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao? 83Fa tahaka ny siny hoditra ao amin'ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko. 84Hoatrinona no andron'ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin'izay manenjika ahy Hianao? 85Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao. 86Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho. 87Saiky laniny teo amin'ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao. 88Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho. ¶ 90Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy. 91Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra. 92Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho. 93Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy. 94Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko. 95Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho 96Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao. ¶ 98Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny. 99Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. 100Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako. 101Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao. 102Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy. 103Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! 104Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. ¶ 106Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. 107Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. 108Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. 109An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho. 110Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho. 111Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany. 112Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany. ¶ 114Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako. 115Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin'Andriamanitro. 116Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin'ny fanantenako aho. 117Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva. 118Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. 119Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. 120Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho. ¶ 122Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. 123Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin'ny fahamarinanao. 124Ataovy amin'ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao. 125Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao. 126Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona. 127Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza. 128Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra; ¶ 130Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina. 131Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. 132Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran'izay tia ny anaranao. 133Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. 134Vonjeo amin'ny fampahorian'ny olona Dia hitandrina ny didinao. 135Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. 136Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko Noho ny tsi-fitandreman'ny olona ny lalànao. ¶ 138Efa voadidinao amin'ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. 139Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. 140Voazaha toetra tamin'ny memy ny teninao, Ka dia tian'ny mpanomponao. 141Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao. 142Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao. 143Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako. 144Ny fahamarinan'ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona. ¶ 146Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao. 147Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. 148Nialoha ny fiambenana amin'ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. 149Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao. 150Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao. 151Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra. 152Efa fantatro ela tamin'ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. ¶ 154Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao. 155Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny. 156Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao. 157Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny teni-vavolombelonao aho. 158Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao. 159He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao. 160Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. ¶ 162Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be. 163Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako. 164Impito isan'andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina. 165Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. 166Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao. 167Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy. 168Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. ¶ 169Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao. 170Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao. 171Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao. 172Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra. 173Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho. 174Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako. 175Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. 176Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko. ¶