1 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. 2Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. 3Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. 4Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. ¶ 5Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. 6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? 7Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy. 8Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona. 9Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka. ¶ 10Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa; 11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. 12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. ¶ 13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. 14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. ¶ 15Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery; 16Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery. 17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah. 18Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana. ¶ 19Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah. 20Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. 21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy. ¶ 22Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra. 23Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. 24Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika. 25Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! 26Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo. ¶ 27Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza. 28Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. 29Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. ¶