1 Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy. 2Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa. ¶ 3Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. 4Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko. 5Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika. 6Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. ¶ 7Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao, 8Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana. 9Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho. 10Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho. 11Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra. 12Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko? 13Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah. 14Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra. 15Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina. ¶ 16Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao. 17Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko. 18Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra, 19Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia. ¶