1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao. ¶ 2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny? 3Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. 4Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona: 5Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; 6Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo: 7Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany. 8Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. ¶ 9Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 10Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. 11Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. ¶ 12Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy; 13Hotahiny izay matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe. 14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo. 15Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. ¶ 16Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona. 17Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina; 18Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia. ¶