1 Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny, 2Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany. ¶ 3Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana. 4Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry. ¶ 5Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao? 6Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry? 7Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba. 8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano. ¶