1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao, 2Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy. 3Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy. 4Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka. 5Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana. ¶ 6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany. 7Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana. 8Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. 9Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny 10Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. 11Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany. 12Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty. 13Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany. 14Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny. 15Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy. 16Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy; 17Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany. 18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo; 19Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva. 20Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy. ¶ 21Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao. 22Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko. 23Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho. 24Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko. 25Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha. 26Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho; 27Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany. 28Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao. 29Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba. ¶ 30Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy. 31Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny. ¶