1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza. 2Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho. ¶ 3Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa. 4Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao. 5Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao. 6Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio. ¶ 7Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko; 8Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda; 9Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako. ¶ 10Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma? 11Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? 12Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona. 13Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika. ¶