1 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, 3Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina. 4Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana. 5Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny, 6Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny; 7Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana. 8Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! 9Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa. ¶ 10Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy, 11Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; 12Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy; 13Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. 14Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany. 15Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! 16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny. ¶ 17Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony: 18Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy. 19Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. 20Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany. 21Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! 22Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana. ¶ 23Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe 24No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina. 25Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano; 26Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana. 27Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra. 28Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy. 29Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano. 30Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy. 31Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! 32Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona. ¶ 33Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana, 34Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo. 35Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano, 36Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana; 37Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be. 38Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. 39Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo. 40Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; 41Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany. 42Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra. ¶ 43Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah. ¶