1 Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? 3Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva. 4Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho, 5Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao. ¶ 6Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay. 7Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena 8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe. 9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy, 10Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo. 11Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 12Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy. ¶ 13Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony, 14Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana. 15Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy. 16Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah. 17Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama. 18Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy. ¶ 19Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina. 20Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra. 21Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta, 22Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena. 23Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. ¶ 24Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny, 25Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah. 26Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra 27Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy. ¶ 28Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty, 29Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana. 30Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana. 31Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay. ¶ 32Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo; 33Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy. ¶ 34Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany; 35Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony, 36Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany. 37Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo; 38Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy. 39Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony. ¶ 40Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany. 41Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy. 42Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy. 43Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony. 44Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany; 45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony. 46Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy. ¶ 47Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao. ¶ 48Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia. ¶