1 Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, 2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay, 3Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra, 4Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony. ¶ 5Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria. 6Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny. 7Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy 8Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany. 9Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany. 10Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny, 11Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany; 12Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany. 13Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany. ¶ 14Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany. 15Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona. 16Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny; 17Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony. 18Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka. ¶ 19Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany. 20Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala; 21Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra. 22Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany. 23Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro. ¶ 24Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany. ¶ 25Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any. 27Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. ¶ 31Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany. 32Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka. 33Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina. 34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah. 35Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia. ¶