1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako. 2Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy. ¶ 3Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana. 4Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza. 5Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro. 6Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo. 7Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano. 8Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. 9Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko, 10Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray. ¶ 11Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. 12Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby. 13Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana. 14Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy. 15Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao; ¶ 16Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy; 17Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany. 18Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah; 19Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany, 20Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, 21Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema, 22Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah. ¶ 23Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy; 24Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby. ¶ 25Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra. 26Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; 27Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra. 28Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao. ¶