1 Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana? 2Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany. 3Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe: 4Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona. 5Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala. 6Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro. 7Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro. 8Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy. 9Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana. 10Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina. 11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy. 12Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava. 13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. 14Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery; 15Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny; 16Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany. 17Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. 18Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. 19Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. 20Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina, 21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany. 22Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha. 23Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. 24Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, 25Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, 26Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao. 27Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy, 28Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina, 29Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany, 30Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; 31Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona. 32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. 34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; 36Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana. ¶