1 Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa, 2Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, 3Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao. 4Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao. 5Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika. ¶ 6Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre; 7Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka, 8Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano. 9Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao? 10Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory, 11Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. 12Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, 13Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany; 14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady. 15Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana. ¶ 16Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana: 17Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, 18Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, 19Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy. ¶ 21Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao, 22Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao. 23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana, 24Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. 25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy. 26Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa. 27Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony? 28Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony? 29Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy. 30Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; 31Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony. 32Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. 33Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra. 34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany. 35Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza. ¶