1 Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy. ¶ 2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? 3Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka. ¶ 4Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; 5Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. 6Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy; 7Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony. ¶ 8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny; ¶ 9Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. ¶ 11Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. ¶ 12Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany. ¶ 13Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany. ¶ 14Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny. ¶ 15Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny. 16Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. ¶ 17Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. ¶ 18Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. ¶ 19Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. ¶ 20Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. 21Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa. ¶ 22Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. ¶ 23Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona. ¶ 24Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto. 25Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. ¶ 26Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany. ¶ 27Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana. ¶ 28Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: ¶ 29Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra. ¶ 30Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina. ¶ 31Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady. ¶