1 Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala: 2Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. 3Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina. 4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao! ¶ 5Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy. 6Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga. ¶ 7Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho: 8Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy; 9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro. 10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka. ¶ 11Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny. 12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany. 13Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony! 14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona. ¶ 15Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay: 16Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay. ¶ 17Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery. ¶ 18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro: 19Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy. 20Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho. ¶ 21Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany; 22Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina, 23Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny. 24Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay: 25Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy; 26Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy; 27Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara; 28Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy. 29Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha; 30Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona, 31Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina. ¶ 32Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao. ¶ 33Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady. ¶