1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; 2Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. 3Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, 4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. ¶ 5Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; 6Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, ¶ 7Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. 8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. ¶ 9Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; 10Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. ¶ 11Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany; 12Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany. ¶ 14Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. 15Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. 16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. 17Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra. 18Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra. 19Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra. 20Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona. 21Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, 22Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao, 23Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. 24Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao. 25Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; 26Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika. ¶ 28Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao. ¶ 29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy. ¶ 30Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy. ¶ 31Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory, ¶ 32Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. 33Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa. 34Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. 35Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala. ¶