1Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany; 2Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony. ¶ 3Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy; 4Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra. ¶ 5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana; 6Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena. ¶ 7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy. 8Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy. ¶ 9Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira. ¶ 10Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao. 11Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana! 12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra. ¶ 13Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao; 14Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao. ¶ 15Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany; 16Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana. ¶ 17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy; 18Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany. ¶ 19Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy; 20Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy. ¶ 21Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova; 22Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny? ¶ 23Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana. ¶ 24Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena; 25Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. 26Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra. ¶ 27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao. ¶ 28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao? ¶ 29Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony. ¶ 30Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho; 31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony. 32Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra. 33Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory; 34Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. ¶