1Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao, 2Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao. 3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany. ¶ 4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao. 5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra. ¶ 6Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; 7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao. 8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. ¶ 9Aza miteny amin' ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao. ¶ 10Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty; 11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao. ¶ 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao. ¶ 13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; 14Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. ¶ 15Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao. ¶ 17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro; 18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao. ¶ 19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao. 20Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; 21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. ¶ 22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. ¶ 23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. ¶ 24Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. 25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao. ¶ 26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako; 27Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; 28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika. ¶ 29An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? 30An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. 31Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra; 32Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. 33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy. 34Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo. 35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray? ¶