1Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena. ¶ 2Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta. ¶ 3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. ¶ 4Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana. ¶ 5Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany. ¶ 6Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany. 7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra. ¶ 8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany. ¶ 9Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny. ¶ 10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka. ¶ 11Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy. ¶ 12Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany. ¶ 13Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho. ¶ 14Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao. ¶ 15Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy. ¶ 16Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny. ¶ 18Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao. 19Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah. 20Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana, 21Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao? ¶ 22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady; 23Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy. ¶ 24Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina, 25Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao. ¶ 26Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa; 27Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao? ¶ 28Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao. ¶ 29Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy. ¶