1Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany. ¶ 2Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. ¶ 3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà. 4Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota. 5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany. ¶ 6Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana. 7Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy. ¶ 8Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio. ¶ 9Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady. ¶ 10Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony. ¶ 11Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy. ¶ 12Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza. ¶ 13Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina. ¶ 14Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy. ¶ 15Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany. 16Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty. ¶ 17Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena. ¶ 18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy. ¶ 19Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina. ¶ 20Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy. 21Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. ¶ 22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany. ¶ 23Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana. ¶ 24Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona. 25Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona; ¶ 26Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra. ¶ 27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy. ¶ 28Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva. ¶ 29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany. 30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah. ¶ 31Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena. ¶