1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry. ¶ 2Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy, ¶ 3Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka. ¶ 4Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo. ¶ 5Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany, ¶ 6Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy? ¶ 7Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy. 8Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony. ¶ 9Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota? ¶ 10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah. 11Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany. ¶ 12Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa. ¶ 13Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao. ¶ 14Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena. ¶ 15Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa. ¶ 16Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany. 17Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany. ¶ 18Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady. ¶ 19Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana. 20Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony. ¶ 21Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany. 22Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao. ¶ 23Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara. 24Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany? ¶ 25Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra. 26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny. ¶ 27Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po. 28Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany. ¶ 29Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy. ¶ 30Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo. ¶