1Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala. ¶ 2Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana. 3Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. ¶ 4Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany. ¶ 5Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala. ¶ 6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra. ¶ 7Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy. 8Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa. ¶ 9Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very. ¶ 10Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana. ¶ 11Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. ¶ 12Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra. ¶ 13Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva. 14Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah. ¶ 15Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina. ¶ 16Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. 17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa. ¶ 18Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy. ¶ 19Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray. ¶ 20Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao. ¶ 21Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra. ¶ 22Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. ¶ 23Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. 24Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany. ¶ 25Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy. ¶ 26Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka. ¶ 27Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana. ¶ 28Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy. ¶ 29Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala. ¶