1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. ¶ 2Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony. ¶ 3Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra. ¶ 4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena, ¶ 5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana. ¶ 6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka. ¶ 7Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny. ¶ 8Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. 9Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba. ¶ 10Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. 11Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. ¶ 12Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. ¶ 13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany. ¶ 14Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany? 15Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany. ¶ 16Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe. ¶ 17Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny. ¶ 18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery. ¶ 19Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka. ¶ 20Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. ¶ 21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. ¶ 22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah. ¶ 23Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery. ¶ 24Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza. ¶