1Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana. ¶ 2Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy. ¶ 3Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo. ¶ 4Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza. ¶ 5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina. 6Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy. ¶ 7Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. 8Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany. 9Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza. ¶ 10Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala. 11Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy. ¶ 12Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana. ¶ 13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony. ¶ 14Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra. ¶ 15Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah. ¶ 16Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy. ¶ 17Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana. ¶ 18Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany. ¶ 19Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana. ¶ 20Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza. ¶ 21Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly. ¶ 22Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. ¶ 23Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny. ¶ 24Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany. ¶ 25Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy. 26Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany. ¶ 27Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. ¶ 28Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina. ¶