1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. ¶ 2Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana. ¶ 3Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. ¶ 4Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. ¶ 5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. ¶ 6Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza. ¶ 7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala. ¶ 8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. ¶ 9Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany. ¶ 10Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. 11Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona! 12Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy. ¶ 13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy. ¶ 14Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana. ¶ 15Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva. ¶ 16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy. ¶ 17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. 18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. ¶ 19Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara. ¶ 20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny. 21Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy ¶ 22Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. ¶ 23Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy! ¶ 24Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, ¶ 25Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy. ¶ 26Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra. ¶ 27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. ¶ 28Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. ¶ 29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. ¶ 30Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana. ¶ 31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry. ¶ 32Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. ¶ 33Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana. ¶