1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany. ¶ 2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena. ¶ 3Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany. ¶ 4Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana. ¶ 5Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany. ¶ 6Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny. ¶ 7Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy. ¶ 8Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy. ¶ 9Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. 10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby. ¶ 11Ny fisaoran'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany. ¶ 12Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina. ¶ 13Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. ¶ 14Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina. ¶ 15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka. 16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena. ¶ 17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany. ¶ 18Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. ¶ 19Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana. 20Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny. ¶ 21Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena. 22Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena. 23Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy. ¶ 24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany. ¶ 25Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. ¶ 26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra. ¶ 27Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany. ¶ 28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso. ¶ 29Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry. ¶ 30Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona. 31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota! ¶