1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an'i Jehovah, 3dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina. 4Amin'ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin'ny voaloboka hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny izy. 5Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany. 6Amin'ny andro rehetra izay itokanany ho an'i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy; 7aoka tsy handoto tena izy na dia amin'ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin'ny lohany ny fitokanana ho an'Andriamaniny. 8Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy. 9Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy; 10ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy. 11Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin'ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin'izany andro izany izy. 12Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany 13Ary izao no lalàna ny amin'ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy; 14ary hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana, 15ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy. 16Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany; 17dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny. 18Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin'ny afo izay eo ambanin'ny fanati-pihavanana. 19Dia halain'ny mpisorona ny sorok'ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin'ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin'ny tanan'ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany. 20Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita. ¶ 21Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany. ¶ 23Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely: 24Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; 25Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; 26Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. 27Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak'Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy. ¶