1 Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe: 2Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy. 3Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany. 4Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay. 5Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin'ny firenena taranak'i Josefa. 6Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny. 7Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely; fa samy ho eo amin'ny zara-tanin'ny razany avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely. 8Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy. 9Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely. 10Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny zanakavavin'i Zelofada, 11ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin'i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin'ny rainy avy. 12Izay avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Manase, zanak'i Josefa, no novadin'ireo, ka dia nitoetra teo amin'ny firenen'ny mpianakavin'ny rainy ihany ny zara-taniny. 13Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian'i Jehovah ka nampitondrainy an'i Mosesy ho amin'ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. ΒΆ