1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny. ¶ 3Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana, 4dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona, 5ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina. 6Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana. ¶ 7Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo; 8ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada, 9dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra. ¶ 10Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama, 11dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana, 12dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina. 13Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany; 14fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny; 15dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro. ¶ 17Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona. 18Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany. 19Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone; 20ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda; 21ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona; 22ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly; 23ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda; 24ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana; 25ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka; 26ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana; 27ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy; 28ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda. 29Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely. ¶