1 Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony. 2Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany: 3Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra. 4Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah. 5Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota. 6Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra. 7Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola. 8Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara. 9Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy. 10Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena. 11Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina. 12Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka. 13Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy. 14Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona. 15Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay. 16Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava. 17Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota. 18Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma. 19Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza. 20Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna. 21Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa. 22Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata. 23Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera. 24Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada. 25Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota. 26Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata. 27Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera. 28Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka. 29Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona. 30Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota. 31Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana. 32Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada. 33Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata. 34Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona. 35Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera. 36Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany). 37Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma. 38Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy. 39Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy. 40Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely. 41Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona. 42Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona. 43Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota. 44Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba. 45Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada. 46Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima. 47Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo. 48Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. 49Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba. 50Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe: 51Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, 52dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra; 53dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo. 54Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany. 55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy; 56ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy. ΒΆ