1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao ianao. 3Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy. 4Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika. 5Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady. 6Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo. 7Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy 8ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra. 9Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra. 10Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo. 11Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy, 12dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko. 13Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby. 14Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika, 15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra? 16Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana. 17Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy. 18Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo. 19Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito. 20Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa. 21Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy: 22Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka, 23dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany. 24Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo. 25Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 26Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy; 27ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra; 28kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy; 29ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah. 30Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah. 31Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 32Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy, 33sy omby roa arivo amby fito alina, 34sy boriky arivo amby enina alina, 35ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina. 36Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy; 37ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato. 38Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo. 39Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo. 40Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo. 41Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 42Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika 43(fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 44sy omby enina arivo amby telo alina, 45sy boriky diman-jato amby telo alina, 46ary olona enina arivo amby iray alina), 47ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 48Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy 49ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza; 50koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah. 51Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa. 52Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina 53(fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany). 54Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah. ¶