1 Ary avy ny zanakavavin'i Zelofada, zanakalahin'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza), 2dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: 3Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy. 4Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay. 5Ary nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah ny tenin'ireo. 6Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 7Marina ny tenin'ny zanakavavin'i Zelofada: omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy. 8Ary lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny. 9Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny. 10Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny. 11Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin'ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak'Isiraely izany araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. ¶ 13Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao; 14fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.) 15Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe: 16Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana 17ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah. 18Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy; 19ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao. 20Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy. 21Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra. 22Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra 23ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy. ¶