1 Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao. 2Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona. 3Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah! 4Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto? 5Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina? 6Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah. ¶ 7Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 9Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy. 10Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? 11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 12Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo. 13Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy. ¶ 15dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana; 16ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay; 17koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao. 18Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho. 19Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany. 20Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery. 21Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely. ¶ 22Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora. 23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe: 24Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo. 25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka; 26dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao. 27Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka. 28Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara. 29Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra. ¶