1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: 2Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany. ¶ 3Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba; 4ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina. 5Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara; 6ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina. 7Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona; 8ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina. 9Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana. 10Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora; 11ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina. 12Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday; 13ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina. 14Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela; 15ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina. 16Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Robena dia dimam-polo amby efa-jato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany. 17Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin'ny Levita, eo afovoan'ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin'ny filaharany avy, araka ny fanevany. ¶ 18Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda; 19ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina. 20Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora; 21ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina. 22Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony; 23ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina. 24Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony. ¶ 25Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday; 26ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. 27Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana; 28ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina. 29Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana; 30ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. 31Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana. ¶ 32Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy. 33Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 34Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. ¶