1Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny. 2Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay. 3Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary. 4Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka. 5Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay. ¶ 6Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany. 7Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy. 8Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny. 9Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika? 10Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany; 11eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy. 12Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, 13sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an'i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona. ¶ 14Ary koa, hatramin'ny andro nanendrena ahy ho governora amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona faharoa-polo ka hatramin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman'ny governora. 15Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an'Andriamanitra. 16Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa. 17Ary teo amin'ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin'ny firenena manodidina anay. 18Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana. 19Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity. ¶