1Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato. 2Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao. 3Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro. 4Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao! 5Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato. 6Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka. 7Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana. 8Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy. 9Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo? 10Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy. 11Fa ny lohan'ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy. 12Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy? 13Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! 14Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! 15Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. 16Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra. 17Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany. 18Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! 19Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. 20Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy. 21Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy. ¶ 22Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha. 23Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy. 24Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. 25Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana. 26Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY. 27Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany. 28 29Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana, 30vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin'ny hazo fijaliana. 31Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. 32Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa. 33Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany. 34Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2). 35Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy. 36Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia. 37Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy. 38Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. 39Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io. 40Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy, 41izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema. 42Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata), 43dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy. 44Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia. 45Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty. 46Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy. 47Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. ¶