1 Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao: ¶ 2Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo. 3Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. 4Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. 7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. 8Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro. 9Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna. ¶ 11Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa. 12Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. 13Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy. 14Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. 15Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. 16Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo. ¶