1Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany! 2Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza. 3Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. 4Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. 5Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. 6Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. 7Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana? 8Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao? 9Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany? 10Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay. 11Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i Samaria sy Galilia. 12Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao. 20Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. 21Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo. 22Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo. 23Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy. 24Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny, 25Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity. 26Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: 27nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. 28Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; 29fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. 30Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona. 31Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy. 32Tsarovy ny vadin'i Lota. 33Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany. 34Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 35Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 36 37Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery. ¶