1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny, 2afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny; 3ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany. 4Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin'ny fireneny izy. 5Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany. 6Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina. 7Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona. 8Dia hamasino izy, fa ny hanin'Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy, fa masina Aho Jehovah, Izay manamasina anareo. 9Ary raha ny zanakavavin'ny mpisorona mandoto ny tenany amin'ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin'ny afo. 10Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin'ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany. 11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin'ny rainy aman-dreniny aza. 12Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah. 13Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy. 14Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin'ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin'ny fireneny ihany no hampakariny. 15Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin'ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasina azy. 16Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 17Mitenena amin'i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin'ny zanakao, amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin'Andriamaniny; 18Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby, 19na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana, 20na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin'ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy. 21Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny. 22Ny hanin'Andriamaniny, izay avy amin'ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany; 23kanefa tsy mahazo miditra ao anatin'ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina izy, fa Izaho Jehovah no manamasina azy. 24Ary Mosesy dia nilaza izany tamin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra. ΒΆ