1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: 2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany: 3Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. 4Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 5ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 6ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; 7ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy. 8Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny. ¶ 9Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo; 10fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny; 11eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny. 12Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo. 13Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay 14ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, 15ary ny goaika rehetra, isan-karazany, 16ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany, 17ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe 18ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika 19sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy. 20Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; 21nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany. 22Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany. 23Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo. 24Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 25Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 26Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy. 27Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny. 28Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny. 29Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany, 30ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana. 31Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 32Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio. 33Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo. 34Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona. 35Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo. 36Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto. 37Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany. 38Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany. 39Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny. 40Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro 41Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana. 42Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny. 43Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany. 44Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany. 45Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho. ¶ 46Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, 47mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana. ¶