1 2Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.¶ 3Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.¶ 4Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.¶ 5Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.¶ 6Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.¶ 7Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.¶ 8Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.¶ 9Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.¶ 10Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.¶ 11Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.¶ 12Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.¶ 13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.¶ 14Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.¶ 15Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.¶ 16Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!¶ 17Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,¶ 18Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo. 19 20Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?¶ 21Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.¶ 22Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?