1 2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava.¶ 3Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva. 4 5Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana.¶ 6Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho. 7 8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.¶ 9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako. 10 11Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.¶ 12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka. 13 14Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.¶ 15Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty. 16 17Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.¶ 18Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah. 19 20Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.¶ 21Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho. 22 23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.¶ 24Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho. 25 26Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana.¶ 27Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. 28 29Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.¶ 30Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa. 31 32Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.¶ 33Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona. 34 35Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,¶ 36Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo. 37 38Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?¶ 39Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy? 40 41Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.¶ 42Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka. 43 44Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.¶ 45Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay. 46 47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.¶ 48Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy. 49 50Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.¶ 51Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra. 52 53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.¶ 54Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity! 55 56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.¶ 57Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra. 58 59Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.¶ 60Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy 61 62Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.¶ 63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho. 64 65Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.¶ 66Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.