1Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda. 2Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada 3sy Hazara-soala sy Bala sy Azema 4sy Eltolada sy Betola sy Horma 5sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa 6sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 7sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny; 8ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony. 9Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy. 10Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida, 11dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama, 12dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia, 13dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea, 14dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela. 15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. 16Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 17Ary ny loka fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony. 18Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema 19sy Hafraima sy Siona sy Anaharata 20sy Rabita sy Kisiona sy Abeza 21sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza. 22Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. 23Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. ¶ 24Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony. 25Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa 26sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata, 27dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia 28ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe, 29dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba 30ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny. 31Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 32Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony. 33Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana, 34dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana. 35Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta 36sy Adama sy Rama sy Hazora 37sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora 38sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. 39Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 40Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony. 41Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy 42sy Salabima sy Aialona sy Jitla 43sy Elona sy Timna sy Ekrona 44sy Elteke sy Gibetona sy Baleta 45sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona 46sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa. 47Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy. 48Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 49Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona. 50Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao. ¶ 51Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany. ¶