1 Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo. 2Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo, 3dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka, 4dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo. 5Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana, 6dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena, 7dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela, 8dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita, 9dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany), 10dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna. 11dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina. 12Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony. 13Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany). 14Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay. 15Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha). 16Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. 17Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny. 18Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao? 19Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. 20Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony: 21Ny tanàna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora 22sy Kina sy Dimona sy Adada 23sy Kadesy sy Hazora sy Itnana 24sy Zifa sy Talema sy Bealota 25sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany), 26sy Amama sy Sema sy Molada 27sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta 28sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia 29sy Bala sy Ie sy Azema 30sy Eltolada sy Kesila sy Horma 31sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana 32sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny. 33Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna 34sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama 35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka 36sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 37ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada 38sy Dilana sy Mizpa ary Joktela 39sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona 40sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa 41sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 42Libna sy Atera sy Asana 43sy Jifta sy Asna ary Neziba 44sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny; 45Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny; 46hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo, 47Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe. 48Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko 49sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany) 50sy Anaba sy Estemo sy Anima 51sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 52Araba sy Doma sy Esana 53sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka 54sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny; 55Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota 56sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa 57sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny; 58sy Halola sy Beti-zora sy Gedora 59sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny; 60sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny. 61Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka 62sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny. 63Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny. ¶