1 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay 2Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, 3ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. 4Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy, 5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona. 6Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 7Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany, 8dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita: 9Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray; 10ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray; 11ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray; 12ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray; 13ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray; 14ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray; 15ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray; 16ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray; 17ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray; 18ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray; 19ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray; 20ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray; 21ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray; 22ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray; 23ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray; 24ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra. ΒΆ