1 Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. 3Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana. 4Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive. 5Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona. 7Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. 8Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. 9Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. ¶