1 Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. 2Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona 3ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. ¶ 4 5Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.¶ 6Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.¶ 7Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.¶ 8Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.¶ 9Izay mivavaka amin'ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy ¶ 10Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.